Luke 2

1Ary tamin’izany andro izany, dia nandefa didy mibaiko izay mibaiko ny hanisana ny olona rehetra miaina eto amin’izao tontolo izao Aogosto Kaisara. 2Izany no fanisam-bahoaka natao voalohany tamin’i Kyrenio no mpanapaka tany Syria. 3Noho izany ny olon-drehetra dia nankany amin’ny tanàna niaviny avy mba hisoratra anarana ho an’ny fanisam-bahoaka.

4Dia nandeha niakatra avy tany Galilia koa Josefa, avy tany an-tanànan’ny Nazareta, ho any Jodia, tanànan’i Davida izay antsoina hoe Betlehema, satria izy avy amin’ny trano sy fianakavian’i Davida. 5Nandeha tany izy mba hisoratra anarana niaraka tamin’i Maria, izay fofom-badiny ary nitoe-jaza.

6Ary raha mbola tany izy ireo, dia tonga ny fotoana hiterahany ny zanany. 7Niteraka zaza lahy izy, zanany voalohany, ary izy nandrakotra lamban-jaza Azy sy nampandry Azy teo amin’ny fihinanam-bilona, satria tsy nisy toerana ho azy ireo tao amin’ny hotely.

8Nisy mpiandry ondry tamin’ izany faritra izany izay nijanona tany an-tsaha, niandry ny andian’ondriny tamin’ny alina. 9Nisy anjelin’ ny tompo niseho tamin’izy ireo, ary ny voninahitry ny Tompo namirapiratra manodidina azy, ary feno tahotra lehibe izy ireo.

10Dia niteny tamin’izy ireo ny anjely nanao hoe: “Aza matahotra, fa hitondra vaovao tsara izay hitondra hafaliana lehibe ho an’ny olona rehetra aho. 11Androany dia nisy mpanavotra izay teraka ho anareo any an-tanànan’i Davida! Izy no Kristy Tompo! 12Izao no famantarana izay homena anareo: Hahita zazakely mirakotra lamban-jaza ary mandry eo amin’ny fihinanam-bilona ianareo.”

13Tampoka teo niaraka tamin’ilay anjely, dia nisy tafiky ny lanitra lehibe nidera an’Andriamanitra nanao hoe: 14“Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary hisy fiadanana anie eto an-tany eo amin’ny olona izay ankasitrahany.”

15Ary rehefa niala teo amin’izy ireo nankany an-danitra ireo anjely, ny mpiandry ondry nifampiteny hoe: “Andeha isika izao ho any Betlehema, ary hijery izany zava-nitranga izany, izay nampahafantarin’ny Tompo antsika izany.” 16Nandeha faingana tany izy ireo ary nahita an’i Maria sy Josefa, ary nahita ny zazakely nandry teo amin’ny fihinanam-bilona.

17Taorian’ny nahitan’ izy ireo Azy, dia nampahafantarin’izy ireo ny zavatra rehetra nolazaina azy ireo momba io zaza io. 18Izay rehetra nandre izany dia gaga ny amin’ny nolazain’ny mpiandry ondry tamin’izy ireo. 19Fa Maria kosa nanohy nieritreritra momba ny zavatra rehetra izay reny, ary nitahiry ireny tao am-pony. 20Niverina ireo mpiandry ondry, nanome voninahitra sy nankalaza an’ Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay ren’izy ireo sy hitan’ireo, araka izay nolazaina tamin’ izy ireo.

21Nony tapitra ny andro fahavalo, rehefa noforàna Izy, dia nomena anarana hoe Jesosy, ilay anarana nomen’ny anjely Azy talohan’ny nametrahana Azy tao an-kibo.

22Ary rehefa dila ny isan’ny andro notakiana hidiovany, araka ny lalàn’i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra ho any an-tempoly tao Jerosalema i Maria sy Josefa mba hanolotra Azy eo amin’ny Tompo. 23Araka izay voasoratra ao amin’ny lalàn’ny Tompo hoe: “Ny lahy rehetra izay voaloha-teraka dia hatokana ho an’ny Tompo.” 24Noho izany dia nanolotra sorona araka izay voalaza ao amin’ ny lalàn’ny Tompo izy ireo, “domohina roa na zanaka voromailala roa.”

25Ary indro, nisy lehilahy tany Jerosalema, Simona no anarany, ary izany lehilahy izany dia marina sy mafana fo. Nitady ny fampiononana an’Israely izy, ary tao aminy ny Fanahy Masina. 26Nambaran’ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana mialohan’ny ahitany ny Kristin’ny Tompo izy.

27Notarihin’ ny Fanahy, nankany an-tempoly Simona. Rehefa nitondra an’i Jesosy zazakely niditra ny ray aman-dreniny, mba hanao Azy araka ny fomba ao amin’ny lalàna, 28dia noraisiny ho eny an-tsandriny Izy sady nidera an’ Andriamanitra ary nanao hoe: 29“Ankehitriny avelao andeha am-piadanana ny mpanomponao, ry Tompo, araka ny teninao.

30Fa ny masoko nahita ny famonjenao, 31izay nomaninao teo amin’ny fanatrehan’ny olona rehetra: 32Dia fahazavana ho fanambarana ho an’ny Jentilisa ary voninahitra ho an’Israely olonao.”

33Ny ray sy renin’ ilay zaza dia talanjona tamin’ ny zavatra nolazaina mahakasika Azy. 34Nitso-drano azy ireo Simona ary niteny tamin’ i Maria reniny hoe: “Indro, ity zaza ity dia voatendry ho amin’ny fandavoana sy fanandratana ny olon’Israely maro ary ho famantarana izay nolavina - 35ary hisy sabatra handoaka ny fanahinao - mba ho voambara ny hevitry ny fo maro.”

36Nisy mpaminany vavy iray antsoina hoe Ana teo. Zanakavavin’i Fanoela avy amin’ny foko Asera izy. Tena antitra izy. Nipetraka niaraka tamin’ ny vadiny fito taona taorian’ny nahavirijiny azy izy, 37ary mpitondra tena nandritry ny efatra amby valopolo taona. Tsy nandao ny tempoly mihitsy izy fa nanompo tamin’ny fifadian-kanina sy vavaka, andro aman’alina. 38Tamin’ izany ora izany indrindra dia nanatona akaiky azy ireo izy ary nanomboka nanome fisaorana an’Andriamanitra sy nilaza ny momban’ilay zaza tamin’ny olona rehetra izay niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.

39Rehefa nahavita ny zavatra rehetra nasaina nataony araka ny lalàn’ny Tompo izy ireo, dia niverina tany Galilia, any amin’ny tanànan’izy ireo any Nazareta. 40Nihalehibe ny zaza ary nihanatanjaka, nitombo fahendrena, ary ny fahasoavan’Andriamanitra dia tao aminy.

41Ny ray aman-dreniny dia nankany Jerosalema isan-taona hamonjy ny Firavoravoan’ny Paska. 42Rehefa roa ambin’ny folo taona Izy, dia nandeha nankany araka ny fomba fanao amin’ny fety indray izy ireo. 43Ary rehefa avy nitoetra tany nandritry ny andron’ny fety manontolo izy ireo, dia nanomboka niverina nody izy ireo. Fa Jesosy zazalahy nijanona tany Jerosalema nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany. 44Nataon’izy ireo fa niaraka tamin’ny olona niara-dia tamin’izy ireo Izy, dia nandeha nandritry ny andro iray manontolo izy ireo. Ary avy eo dia nanomboka nitady Azy tany amin’ireo havany sy ireo namany izy ireo.

45Rehefa tsy hitan’izy ireo Izy, dia niverina tany Jerosalema izy ireo ka nanomboka nitady Azy tany. 46Nony afaka telo andro, dia hitan’izy ireo tao an-tempoly Izy, nipetraka teo afovoan’ireo mpampianatra, nihaino azy ireo sy nametraka fanontaniana tamin’izy ireo. 47Izay rehetra naheno Azy dia gaga tamin’ ny fahalalany sy ireo valinteniny.

48Rehefa nahita Azy izy ireo, dia talanjona. Ny reniny niteny taminy hoe: “Anaka, nahoana ianao no nanao toa izao anay? Henoy, izaho sy ny rainao nitady anao tamin-tebiteby.” 49Izy niteny tamin’ izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no nitady Ahy? Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ao an-tranon’ny Raiko Aho?” 50Fa tsy azon’izy ireo izay tiany holazaina tamin’ izany teny izany.

51Dia nody niaraka tamin’izy ireo tany Nazareta Izy sady nankatoa azy ireo. Ny reniny dia nitahiry izany zavatra rehetra izany tao am- pony. Fa Jesosy niha-nitombo fahendrena sy nitombo tena, ary nitombo fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona.

52

Copyright information for PltULB